Andininy
Protestanta Malagasy
18
Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13E5BC11-6A25-410E-9543-907094BCE077
19
fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C31388-6F0B-4B95-A035-511444AC833A
20
Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39DBD020-F566-44EA-B50C-30016D10E514
21
Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E8DD09-34C6-45B8-BD57-5D9654DB112D
22
Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: Ny amboa miverina indray amin'ny loany (Oha. 26. 11), ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|132C3A75-29DB-40CA-93CA-ECCE1CC58E48
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany