Andininy
Protestanta Malagasy
15
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E64E606A-44F4-42DC-A76E-56978B97FE66
16
Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A00190C2-1A82-41B4-992C-0D046287728F
17
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7FF96A8-28DE-4072-B80A-EC9F3CAA5B56
18
Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7319F45E-CB37-4178-8D30-825727AC941B
19
Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia ho nitoetra mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA791072-F8DE-411D-BFB0-76AB2D015B73
20
Fa hianareo kosa manana hosotra avy amin'Ilay Masina ka mahalala ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4A4CAAC-D94C-4311-8573-9B04F103FFA7
21
Tsy noho ny ahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo, fa noho ny ahafantaranareo izany sy noho ny tsi-fisiana lainga avy amin'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A3AA5EC-CD55-4E1E-A3F8-2CD893148FEC
22
Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an'i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy, dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E9480AC-0D3C-4D99-AE0F-A00A8A987B1F
23
Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; Izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54B65314-B37B-4BC1-8DB0-EA1A2CCF4B6D
24
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|059D37A9-9F22-4D8F-BB2C-8360DE1581EE
25
Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A42D647A-921B-4065-B3AA-4BCEC1E5EA38
26
Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin'ny mamitaka anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21AD90D4-A6A5-4DF6-A4BC-B8B1B4D0DB31
27
Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin'olona hianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy hianareo, araka ny nampianarany anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62000FEF-58B9-48FD-B040-A9A2C116A520
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany