Apokalypsy 1: 1-17

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9DD2968-B5B1-46C6-8AEE-4636F48B776B
2
izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D211DD31-4046-4FD7-9630-D61B0E2729AA
3
Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C15E91-B100-4E71-8A2E-19BA53A9FCDA
4
Jaona mamangy ny fiangonana fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8D39008-5483-43E5-932E-09058AD4F7BD
5
ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'Izay tia antsika ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52335FA-9B05-43F5-8AF4-5B2E4A09CADC
6
sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52B3282B-96E2-41DC-8815-5286C3005DE7
7
Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6428FED8-7D27-4E2D-8785-9D81BE588943
8
Izaho no Alfa sy Omega hoy ny Tompo Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6681ABB4-231D-4DF4-9328-0EF5F9BA3ABD
9
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F876137A-6882-4239-B80E-6BC6F1DCD3D3
10
Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB398F24-4C35-487A-A5C1-B00F52439A4F
11
nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia sy Laodikia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528E116D-8522-4BD7-9545-8DA9C069ECBA
12
Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E372188C-0062-4C55-8142-6DC36800191C
13
ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D206DF-6C3F-4DF1-874C-E42952B7662F
14
Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBF35E37-63A8-4FB6-A564-BA251185573D
15
ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10939B58-113B-4545-9278-972C1E66FFA0
16
Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22CB64A9-695A-4161-ABC0-CD7AF0E87890
17
Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D685036-2451-42CE-959F-D172AD00E85D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany