Andininy Protestanta Malagasy 9 Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F876137A-6882-4239-B80E-6BC6F1DCD3D3 10 Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB398F24-4C35-487A-A5C1-B00F52439A4F 11 nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia sy Laodikia. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528E116D-8522-4BD7-9545-8DA9C069ECBA 12 Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E372188C-0062-4C55-8142-6DC36800191C 13 ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1D206DF-6C3F-4DF1-874C-E42952B7662F 14 Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny orampanala, ary ny masony tahaka ny lelafo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBF35E37-63A8-4FB6-A564-BA251185573D 15 ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10939B58-113B-4545-9278-972C1E66FFA0 16 Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22CB64A9-695A-4161-ABC0-CD7AF0E87890 17 Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D685036-2451-42CE-959F-D172AD00E85D 18 dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BB14084-1EDB-4542-A430-671647409C22 19 Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76CD3B79-2634-41C2-A63F-CF3B520C3AED
|