Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nomena volotara tahaka ny tehina aho, ka nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, ka refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary isao izay mivavaka ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A10C3214-A084-45AB-B7C9-E127E5682881
2
Fa ny kianja eo ivelan'ny tempoly dia avelao ihany, fa aza mba refesina; fa nomena ny jentilisa izany, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efa-polo volana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D40F3AE3-5B22-4E6C-BC25-AC3A5DA34281
3
Ary homeko hery ny vavolombeloko roa, ka haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro izy, sady hitafy lamba fisaonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A98F150-614F-4A33-B25D-3840B3C6F009
4
Ireo ilay hazo oliva roa sy ilay fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD9221B2-F3EA-4BCE-B065-8BF77E86313B
5
Ary raha misy ta-handratra ireo, dia misy afo mivoaka amin'ny vavany ka mandany ny fahavalony; ary raha misy ta-handratra ireo, dia tsy maintsy hovonoina toy izany koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D53157E6-4DED-41F5-AA23-CC50CD95A1E9
6
Ireo dia manam-pahefana handrindrina ny lanitra, mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro aminaniany; ary manam-pahefana amin'ny rano koa izy hampody azy ho ra sy hamely ny tany amin'ny loza araka izay andro tiany na oviana na oviana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9747EC68-6ABE-4B4E-AD8A-95797C1E644D
7
Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibidia miakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEC7F496-0DC2-43C1-86EA-D25A81FA6BAA
8
Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FA7CC8E-CFC0-4299-A901-3F0DBC3E45C5
9
Ary ny olona sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena maro dia misy mijery ny fatiny hateloan'andro sy tapany; ary tsy avelany halevina ao am-pasana ny fatiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EDBCFC4-3D02-4D4F-A766-2A6742C7FDD0
10
Ary ny mponina ambonin'ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19FC9F17-AC12-428F-A24E-561272820283
11
Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B57C23FE-53F1-4E5F-9E23-B513D5F371E5
12
Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara aty. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CAE7944-2942-4767-B6D1-781144772906
13
Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B044740-4B88-427D-A36D-6BB099908D99
14
Lasa ny loza faharoa; indro, avy faingana ny loza fahatelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3AB31249-F5CF-4804-95BF-6D89ADBFE90D
15
Ary ny anjely fahafito nitsoka, dia nisy feo mafy tany an-danitra nanao hoe: Ny fanjakana amin'izao tontolo izao dia efa lasan'ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C5DA0AC-1ABA-4C9E-9AD5-21E10AAA4C72
16
Ary ny loholona efatra amby roa-polo, izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany eo anatrehan'Andriamanitra, dia niankohoka ka nivavaka tamin'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74843437-18A3-482C-BE48-57ADCE80CCDD
17
nanao hoe: Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha. Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny herinao lehibe ka efa manjaka hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B526DDE-30BF-4DA1-9491-C6655D3BAEF6
18
Ary tezitra ny firenena maro, ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsarana ny maty, sy hanomezana valim-pitia ny mpaminany mpanomponao sy ny olona masina ary izay matahotra ny anaranao, na kely na lehibe, ary mba hanimbanao izay manimba ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A54EA574-0515-4CEC-B77F-79360FA3F578
19
Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F2DF2A-840E-487A-9787-B3CF80FF5E6B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany