Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nisy famantarana lehibe hita tany an-danitra, dia vehivavy mitafy ny masoandro, ary ny volana no eo ambanin'ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin'ny folo amin'ny lohany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE977F86-6BDE-4487-81ED-4EE1552544DA
2
sady bevohoka izy; ary mihetsi-jaza izy ka mitaraina satria marary fatratra efa hiteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DCC30E8-77AD-4954-A445-CB3DEA88292A
3
Ary nisy famantarana hafa koa hita tany an-danitra, ka, indro, nisy dragona mena lehibe manan-doha fito sy tandroka folo, ary misy diadema fito amin'ny lohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DB82D1C-FC23-43BD-9B6B-60156E6A6ED5
4
Ary ny rambony dia manala ny ampahatelon'ny kintana amin'ny lanitra ka manjera ireny ho amin'ny tany; ary ny dragona nijanona teo anatrehan'ilay vehivavy efa hiteraka mba handrapaka ny zanany, raha vao teraka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76552A1F-A974-4634-9843-1C646262E15E
5
ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin'ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FB74835-E799-42CA-B1EA-F56C0FB88F7A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany