Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina izy. Ary hitako fa, indro, nisy bibidia niakatra avy tamin'ny ranomasina, nanan-tandroka folo sy loha fito, ary tamin'ny tandrony dia nisy diadema folo; ary tamin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07F57D1D-6960-48E9-8F29-B9DB5060DFBE
2
Ary ny bibidia dia izay efa hitako dia tahaka ny leoparda, ary ny tongony tahaka ny an'ny bera, ary ny vavany tahaka ny vavan'ny liona, ary ilay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6F42E1A-16D2-4D94-A2C3-7D89375B4E38
3
Ary hitako ny lohany anankiray, izay toa voa ka efa ho faty; nefa sitrana ihany ilay feriny saiky nahafaty azy; ary gaga ny tany rehetra nanaraka ilay bibidia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CC185BA-E695-477F-9A91-D3979694DB0D
4
Ary dia niankohoka teo anoloan'ilay dragona ireo, satria izy no nanome ny fahefana ho an'ny bibidia; ary niankohoka teo anoloan'ny bibidia koa ireo ka nanao hoe: Iza no tahaka ny bibidia? Ary iza no mahay miady aminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C8C90C9-36E7-4E16-9C3C-C49284EB7843
5
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6857C55-FD0C-41E8-A443-7D21634EB7D5
6
Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an' Andriamanitra izy dia ny hiteny ratsy ny anarany sy ny tabernakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|46CBBFD8-C101-4135-9383-178303CC17EA
7
Ary navela hiady tamin'ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin'ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BAAC1011-4839-42FE-942B-57BE8D49236F
8
Ary hiankohoka eo anoloany ny olona rehetra monina ambonin'ny tany, dia izay tsy manana ny anarany voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainan'ny Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|069B9A08-502F-441D-9C3B-97EE87362492
9
Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CE2A474-319F-4F69-82FD-4A06B6296F0A
10
Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy; ary raha misy mamono amin'ny sabatra, dia tsy maintsy hovonoina amin'ny sabatra kosa izy. Indro ny faharetana sy ny finoan'ny olona masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|931AB819-B665-44B7-B9F9-49CF573EBF20
11
Ary hitako fa, indro, nisy bibidia iray koa niakatra avy tamin'ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B21FF3F-0D0F-4EC4-9EF6-EF4094A7048E
12
Ary ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany dia asehony eo anatrehany, ary ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan'ilay bibidia voalohany, izay efa sitrana tamin'ilay feriny saiky nahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71C33FC2-098C-4656-AED4-6F57558FEBB8
13
Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany eo imason'ny olona aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|007078DB-3CAD-43EC-9D33-0E7985EAC81B
14
Ary mamitaka izay monina ambonin'ny tany izy amin'ny famantarana izay nomena azy hatao eo imason'ny bibidia, sady milaza amin'izay monina ambonin'ny tany koa mba hanao sary ho an'ny bibidia, izay voan'ny sabatra, nefa velona ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F2069CB-5362-45B9-97C3-2F2C197DFB01
15
Ary navela hanisy aina ny sarin'ny bibidia izy, mba hahateny ny sarin'ny bibidia, ary hampamono izay rehetra tsy mety miankohoka eo anoloan'ny sarin'ny bibidia .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE707B99-F414-4E12-BA56-F2E0A76C9942
16
Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A698E01A-932F-44AF-8664-DA6CBDA4A206
17
mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74FF133-9CAF-4CA7-87C0-50784E4D04BA
18
Indro ny fahendrena. Aoka izay manan-tsaina hanisa ny isan'ny bibidia, fa fanisan'olona izany; ary enina amby enim-polo amby enin-jato no isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DABF2DB-4AAF-468D-858F-A9E3FCBBA0C2
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany