Andininy
Protestanta Malagasy
2
Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibidia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra nitana ny lokangan'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29058BC3-D7BB-4FF2-8858-5A115ED6C68E
3
Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy nanao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCD0FF19-A80B-42CC-88DA-851AFF19073F
4
Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; Fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2370D7AA-381F-4BFD-8AD1-4A4548476723
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany