Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nahare feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho nanao tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin'ny tany ny ao amin'ny lovia fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2195C16E-FD66-4271-AE0D-A76ABEA27719
2
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; ny hanisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08F557B7-449C-4BC7-908F-CB2DD87589BA
3
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina; dia nody ra tahaka ny ran'ny olona maty ny ranomasina; ary maty ny zava-manan-aina rehetra ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3D7B1AA-7200-4407-89DF-2D95DD4A7B34
4
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin'ny ony sy ny loharano; dia nody ra ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFF56183-5C99-4155-B631-F7D1C948824F
5
Ary nahare ny anjelin'ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, Ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masina, satria efa nitsara toy izany Hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A97AB5E6-0600-496F-BCA6-7EAC4AC420F2
6
fa ny ran'ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia ra kosa no nomenao hosotroiny; ary tandrifiny ho azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC901E7F-DAF1-472C-8EBE-9D30634C6650
7
Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE139E06-B71E-4E64-BCE0-14BB4DFF73A6
8
Ary ny fahefatra nampidina ny tao an-doviany tamin'ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36372C41-DA43-4B7D-885B-282C16D65BF3
9
Ary main'ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin'ireny loza ireny, izay sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FBA788A-3AC2-46FE-8526-FD4E991E08EE
10
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibidia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0C2BC1C-CE2A-47C9-889F-EB73D323F9BE
11
dia niteny ratsy an'Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainana sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin'ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C1C2D4E-A31B-48F6-83AC-F2EE6817C582
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany