Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary tonga ny anjely anankiray tamin'izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia aty; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin'ny rano maro,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00D2614F-F82C-43CA-8B4C-F95842E42B21
2
dia ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BBBC198-8E35-442F-ADFA-45269DA8BFEE
3
Dia nentiny tamin'ny Fanahy ho any an-efitra aho ary nahita vehivavy nitaingina bibidia mivolon-jaky, feno anarana fitenenan-dratsy sady nanan-doha fito sy tandroka folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F974A366-0F54-43D7-8670-779D5DE580F2
4
Ary ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila sady nitana kapoaka volamena teny an-tànany, feno zava-betaveta, dia ny zava-maloto momba ny fijangajangany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|541AFF4D-A582-4E46-82F8-1F7939AF7DB9
5
ary nisy anarana voasoratra teo amin'ny handriny nanao hoe: ZAVA-MIAFINA, BABYLONA LEHIBE, RENIN'NY MPIJANGAJANGA SY NY ZAVA-BETAVETA AMIN'NY TANY.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68064080-1B7C-4064-89B3-E2AE57ADF3B6
6
Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon'ny ran'ny olona masina sy ny ran'ny maritioran'i Jesosy; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97F7D482-2B74-4889-AAF0-DF3A8EFDB5F4
7
Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga hianao? Izaho hilaza aminao ny zava-miafina ny amin-dravehivavy sy ny bibidia mitondra azy, izay manan-doha fito sy tandroka folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D76E5775-4A0C-446E-90DF-F47FE595A7A3
8
Ny bibidia, ilay efa hitanao, dia teo ihany ary tsy eo izao nefa efa hiakatra avy tamin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka ho lasa ho amin'ny fandringanana; ary ny monina ambonin'ny tany, dia izay tsy voasoratra eo amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, dia ho gaga raha mijery ilay bibidia, izay teo ihany ary tsy eo izao, nefa mbola ho avy indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB91A4E5-50EB-442A-87FE-D0D504FC7D32
9
Indro ny hevitra izay misy fahendrena: Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F97C4D0E-A4DB-4BF0-93B5-6BD1C61FCB3C
10
Ary mpanjaka fito ireo; efa lavo ny dimy, fa ny iray mbola eo ihany, ary ny iray koa mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy, dia tsy maintsy mitoetra kelikely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89D35C3A-60A3-48C5-9E3C-D2A51F846725
11
Ary ny bibidia izay teo ihany ary tsy eo izao, dia izy no naman'ny fito mahavalo azy ka lasa ho amin'ny fandringanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC44C108-98AD-4241-8003-2DEE6C6336C7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany