Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe; ary ny tany nohazavain'ny voninahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B16B6AF5-6F8D-44D2-8212-56462C608619
2
Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! Rava Babylona lehibe! Ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren' ny fanahy maloto rehetra ary akanin' ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FDE7261-127C-4DDB-8478-2BA6AFEB1C45
3
Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan' ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanan-karena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AEF13A2-EF5D-4D8E-8BC1-FE080C4D5A99
4
Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4E127D3-8906-4877-895D-A32217CDCF88
5
Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19A336D5-45F0-42AC-91BC-293CB5D01528
6
Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0DE8C83-A174-4B95-A9F1-2872A3F241E0
7
Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2146CCF8-DBB4-4B48-BC53-1A5AC5060192
8
koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6EBD971-C536-4DCA-9B1D-55B884848D61
9
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany azy, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFE13BD1-00D5-4AEB-A4EA-EAF15B7858F0
10
eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy ! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! Ry ilay tanàna mafy! Fa tamin'ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE8CABA-A22A-4C1C-BFC1-E685EBB23B1E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany