Andininy
Protestanta Malagasy
2
Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! Rava Babylona lehibe! Ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren' ny fanahy maloto rehetra ary akanin' ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FDE7261-127C-4DDB-8478-2BA6AFEB1C45
3
Fa tamin'ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan' ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan'ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin'ny tany tonga mpanan-karena noho ny hafatratry ny nitiavan'io ny zava-mahafinaritra ny tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AEF13A2-EF5D-4D8E-8BC1-FE080C4D5A99
4
Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4E127D3-8906-4877-895D-A32217CDCF88
5
Fa ny fahotany efa nitehika tamin'ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|19A336D5-45F0-42AC-91BC-293CB5D01528
6
Mamalia azy araka izay nataony, ka omeo azy indroa heny toy ny nataony izy; ny kapoaka izay nofenoiny, dia fenoy indroa heny ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0DE8C83-A174-4B95-A9F1-2872A3F241E0
7
Toraka izay niderany tena sy nivelomany tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2146CCF8-DBB4-4B48-BC53-1A5AC5060192
8
koa noho izany dia ho tonga indray andro monja izao loza hanjo azy izao, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, ary ho levon'ny afo izy; fa mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6EBD971-C536-4DCA-9B1D-55B884848D61
9
Ary ny mpanjakan'ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin'ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany azy, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFE13BD1-00D5-4AEB-A4EA-EAF15B7858F0
10
eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy ! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! Ry ilay tanàna mafy! Fa tamin'ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCE8CABA-A22A-4C1C-BFC1-E685EBB23B1E
11
Ary ny mpandranto amin'ny tany dia hitomany sy hisaona azy; fa tsy hisy mpividy intsony ny entany:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABDBB86C-B10E-4D35-9291-8DEF9FCE82B3
12
dia entana volamena sy volafotsy sy vato soa sy pèrila sy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy landy sy jaky sy hazo mani-pofona, sy ny fanaka ivory rehetra mbamin'ny fanaka rehetra amin'ny hazo saro-bidy indrindra sy varahina sy vy ary vato sanga,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8049FCAC-29BE-4235-AC80-A0FBFC011079
13
sy havozomamy sy zavatra mani-pofona sy ditin-kazo sy menaka manitra sy ditin-kazo mani-pofona, sy divay sy diloilo sy lafarina tsara toto sy vary tritrika sy omby sy ondry sy soavaly sy kalesy ary tena sy ain'olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B8DC8B8-9872-4712-BEA5-F0369D1AB93D
14
Ary ny vokatra soa nirin'ny fanahinao dia efa niala taminao, ary ny zava-tsoa rehetra sy ny zava-malaza rehetra dia efa levona tsy ho anao, ary tsy ho hita intsony mandrakizay ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A53B347D-CFD9-4807-A61D-56A2AF3CA3E9
15
Ny mpandranto izany zavatra izany, izay efa tonga mpanan-karena taminy, dia hijanona eny lavitra eny noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hitomany sy hisaona
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7884CAD-CE57-4B73-B1E4-C53282ED5C8D
16
ary hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nitafy rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy sy jaky ary niravaka volamena sy vato soa ary pèrila.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8456D2C8-453C-41DC-9D77-65B85859BA8D
17
Fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin'ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|687B2D74-3284-4841-809B-554C2410BD96
18
ary raha nahita ny setroky ny fandoroana azy, dia niantso nanao hoe: Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E39CA35-4BE8-4E14-AF1E-1F3691C02FB2
19
Ary nanopy vovoka hiraraka tamin'ny lohany izy dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy ! indrisy! Ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin'ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin'ny ora iray monja no nahafoana izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F8BCEE-9BC2-4320-8C46-B718F6B05D99
20
Mifalia noho izay zavatra nanjo azy hianao, ry lanitra, sy hianareo olona masina, sy hianareo Apostoly, ary hianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA89A9D0-0CCF-4293-A27C-B62E8BBAE4A7
21
Ary nisy anjely mahery anankiray nambeta vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an'i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49168128-012B-4953-9C29-EB6D0DA54293
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany