Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia nahare hoatra ny feon'ny vahoaka betsaka tany an-danitra aho nanao hoe: Haleloia! Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an'Andriamanitsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4CEA33B-2B34-4675-B2C2-53C6AAAC6C38
2
Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy- dia ilay nandoto ny tany tamin'ny fijangajangany- ary namaly azy noho ny ran'ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C07AA8-A9F4-410B-95D4-1B9748181FD1
3
Dia niteny fanindroany ireo hoe: Haleloia! Ary ny setroky ny tanàna dia miakatra mandrakizay mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86479C12-F530-4413-8CAD-67D97E5A4BA2
4
Ary ny loholona efatra amby roa-polo sy ny zava-manan-aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin'Andriamanitra, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CB900BA-E60F-4994-A183-E6489EF8F93C
5
Ary nisy feo koa nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianana ka nanao hoe: Miderà an'Andriamanitsika hianareo mpanompony rehetra, dia hianareo izay matahotra Azy, na ny kely na ny lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25CE670D-4CD3-4F41-BD11-B35A283072F3
6
Dia nahare feo tahaka ny an'ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy nanao hoe: Haleloia! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77A30F6B-3903-42E6-9C79-4461D896DEEE
7
Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy; Fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ka efa niomana ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437E8150-9A42-4714-B43D-F2570B0AC85E
8
Ary nasaina nitafy rongony fotsy madinika sady madio no mangatsakatsaka izy; fa izany rongony fotsy madinika izany dia ny asa marina ataon'ny olona masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD3EB0FD-7936-4126-94C0-A23D2780532A
9
Ary hoy koa izy tamiko: Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fanasana fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Fa hoy izy tamiko: Ireo dia teny marin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9909393-5B5B-40B8-9755-6C4CA54A55FD
10
Dia niankohoka teo amin'ny tongony aho mba hivavaka aminy. Ary hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ireo rahalahinao izay mitana ny filazana an'i Jesosy; Andriamanitra ihany no ivavaho; fa ny filazana an'i Jesosy no fanahin'ny faminaniana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4AD8EDE-C7CD-4689-94D4-B653F33A7448
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany