Andininy
Protestanta Malagasy
11
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe: Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74EED7B2-5EEB-4DDA-8661-00B7B39F179A
12
Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27CB4EA8-146D-4D59-9727-D8FBD6B02A62
13
Ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy; ary ny anarany atao hoe: Ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634B91B6-4AF4-498D-A31F-04701DE07ABA
14
Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|229E1334-B401-4649-9578-ECCD1D3CEC17
15
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD1F6659-B4E1-4E68-8993-3AF37C172CF7
16
Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy manao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8CAA888-AE54-4F79-B33B-63FF910AB3F3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany