Andininy
Protestanta Malagasy
11
Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay nitaingina azy dia atao hoe: Mahatoky sy Marina, ary amin'ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74EED7B2-5EEB-4DDA-8661-00B7B39F179A
12
Ary ny masony dia lelafo, ary tamin'ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27CB4EA8-146D-4D59-9727-D8FBD6B02A62
13
Ary miakanjo akanjo voafafy ra Izy; ary ny anarany atao hoe: Ny tenin'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|634B91B6-4AF4-498D-A31F-04701DE07ABA
14
Ary ny antokon'ny miaramila any an-danitra dia nanaraka Azy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|229E1334-B401-4649-9578-ECCD1D3CEC17
15
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin'ny vavany mba hamelezany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin'ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain'ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD1F6659-B4E1-4E68-8993-3AF37C172CF7
16
Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy manao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8CAA888-AE54-4F79-B33B-63FF910AB3F3
17
Ary hitako fa, indro, nisy anjely anankiray koa nitsangana teo amin'ny masoandro ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao tamin'ny voro-manidina rehetra teo afovoan'ny habakabaka hoe: Avia, ka miangona ho amin'ny fanasana lehiben'Andriamanitra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|241EEA07-CF68-4D0F-A42C-991CED7A9D36
18
mba hihinananareo ny nofon'ny mpifehy arivo sy ny nofon'ny mahery sy ny nofon'ny soavaly mbamin'izay mitaingina azy ary ny nofon'ny olona rehetra, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B7BB701-4224-4FBF-AFAA-9FB585FAA17F
19
Ary hitako ilay bibidia sy ny mpanjakan'ny tany mbamin'ny miaramilany tafangona mba hiady amin'Ilay mitaingina ny soavaly sy amin'ny miaramilany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60F0CFBB-494A-40A2-933E-ED9B8EF5FD3C
20
Ary nosamborina ilay bibidia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|862ED234-A1A1-4974-A2C0-91A8B9BE43EF
21
Ary ny olona sisa dia matin'ny sabatra mivoaka avy amin'ny vavan'Ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77F1C688-17DD-4704-9F0D-507F94EFE808
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany