Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A28DAEFA-432B-47EA-B1FE-743B384DEE61
9
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0ECF7FD-7720-4E71-A9D5-9F6E40149A55
10
Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D7C7483-698E-4936-BBF1-5BFA3F216AE3
11
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana .Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|507A179B-8261-414E-8612-CCD69959236A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany