Andininy
Protestanta Malagasy
8
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A28DAEFA-432B-47EA-B1FE-743B384DEE61
9
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0ECF7FD-7720-4E71-A9D5-9F6E40149A55
10
Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D7C7483-698E-4936-BBF1-5BFA3F216AE3
11
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana .Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|507A179B-8261-414E-8612-CCD69959236A
12
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy: Izao no lazain'Ilay manana ny sabatra roa lela maranitra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2673F090-E82C-49F6-A508-AE060B78EC66
13
Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny itoeran'ny seza fiandrianan'i Satana; ary mitana mafy ny anarako hianao ka tsy nandà ny finoana Ahy, na dia tamin'ny andron'i Antipasy martiorako aza, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin'izay onenan'i Satana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|295E4108-9BB3-4BC3-8079-550B167706FD
14
Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitana ny fampianaran'i Balama , ilay nanome fo an'i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan'ny Zanak'isiraely, hihinana hena naterina tamin'ny sampy sy hijangajanga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36F32F4E-6883-4084-B6AE-06277778FD92
15
Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitana ny fampianaran'ny Nikolaita tahaka ny an'ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88D74CC6-4DF0-4751-9E20-3737FD74F63D
16
Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CF58E6F-1721-4928-97E7-48F12F38A30D
17
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana. Izay maharesy dia homeko mana miafina sady homeko vato fotsy, ary eo amin'ny vato dia misy anaram-baovao voasoratra, izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B8DEA39-F209-4337-B83A-DCD9E4AA788A
18
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain'ny Zanak'Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E81C65A7-66D1-4078-BD62-F75A48B665B9
19
Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D590FB2-98AD-4A36-8B88-278947906522
20
Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompko hijangajanga sy hihinana hena aterina tamin'ny sampy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|265FAF6D-E6E0-46F9-A703-D0334A403CE4
21
Ary nomeko andro hibebahany izy, nefa tsy mety mibebaka amin'ny fijangajangany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CDBFD4-BC3B-4758-98EA-3DD3B465C0F2
22
Indro, hampandamahiko eo am-pandriana izy, ary izay mijangajanga aminy dia hataoko ao amin'ny fahoriana lehibe, raha tsy hibebaka amin'ny asan-dravehivavy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C25D533E-8E7E-4676-A03A-43D75173C4A7
23
Ary hovonoiko amin'ny fahafatesana ny zanany; ary ny fiangonana rehetra hahalala fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo; ary homeko araka ny asanareo avy hianareo rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E62CEB22-C44F-43CD-A714-EC95C93FA10A
24
Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe 'sain-dalin'i Satana', dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|236AF2C2-A270-4361-B1BD-81F134E261F1
25
kanefa izay anananareo dia tano mafy mandra-pihaviko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF64828D-429A-40CC-AEE0-619923F8D142
26
Ary izay maharesy ka mitandrina ny asako hatramin'ny farany dia homeko fahefana amin'ny jentilisa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F5CA75A-4D86-4EC7-AD50-257727F6098B
27
ary hiandry azy amin'ny tehim-by izy ka hanorotoro azy toy ny fanorotoro vilany tany, dia araka izay efa noraisiko tamin'ny Raiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DDA0EDA-D2BF-453F-A9E4-30B222185A1F
28
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDCB8D36-1816-4E34-8691-3328E9562903
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany