Andininy
Protestanta Malagasy
11
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany; ka tsy nisy hitoerany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF8CC2BC-AA01-42A0-9CEA-2822DCD2A002
12
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C5937AE-9719-47E8-A795-B7DDA14152E4
13
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFB9D733-2F9F-4C03-9DDB-95997337878C
14
Ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita dia natsipy tany amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD26FCDC-54AC-4498-992A-A5EFE1204734
15
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E08F2B2D-473B-4A31-98C5-D78E115D3709
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany