Andininy
Protestanta Malagasy
2
dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6844AB3D-5616-4D65-8E36-D2452B971D33
3
dia nanipy azy ho amin'ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04480C44-1E4A-4E82-9673-A68124374B32
4
Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin'izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia na teo anoloan'ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin'i Kristy arivo taona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F12152E5-DD93-4F86-9A56-1D057C92DBC7
5
Fa ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola velona mandra-paha-tapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73B10E42-307D-477C-8A7E-9077DD94D085
6
Sambatra sy masina izay manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan'ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron'Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA6F950-8E0B-49C4-A755-F8861E97C59F
7
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny trano-maizina nitoerany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06298345-7220-4F41-AD58-5E1B5472E5C6
8
ka hivoaka hamitaka ny firenena any amin'ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin'ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|371F80F7-8BE8-4CC6-98AD-7DD4295C82DE
9
Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin'ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D88A544F-9275-4A69-8D64-2C104A52E713
10
Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany amin'ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro aman-alina mandrakizay mandrakizay ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57199BEC-B9C8-4E0D-A0BE-1B51797BE234
11
Ary hitako fa, indro, nisy seza fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany; ka tsy nisy hitoerany intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF8CC2BC-AA01-42A0-9CEA-2822DCD2A002
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany