Andininy
Protestanta Malagasy
2
Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EEC4881-A706-4CC2-A1A7-8BC361768E55
3
Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3014388E-B7FC-49AA-8BA4-095404B3F0FF
4
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88DCC281-F9B6-48FC-B7E5-0C3B3CF64147
5
Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty: fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85918E08-4075-4A82-997F-9A0E2D544D99
6
Ary hoy koa Izy tamiko: Tanteraka ireo. Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana. Izaho hanome maimaimpoana amin'ny loharanon'ny ranon'aina ho an'izay mangetaheta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D3476EF-8FFD-43B2-81E7-4B48E1D39940
7
Izay maharesy no handova izany zavatra izany; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B622EBD8-DF06-43AD-844C-CFE0A1041962
8
Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE46A608-70AA-4944-8CC1-81B6C2415EA9
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany