Andininy
Protestanta Malagasy
9
Ary tonga ny anankiray tamin'ny anjely fito izay nanana ny lovia fito, dia ireo nitondra ny loza fito farany ka nanao tamiko hoe: Avia ety, dia hasehoko anao ny ampakarina, vadin'ny Zanak'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9432DD92-630C-44D8-8DC5-56DA0D83711A
10
Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA7383F8-DB2E-4224-A77E-D3DD891CBA1C
11
sady manana ny voninahitr'Andriamanitra izy; ny famirapirany dia tahaka ny vato soa indrindra, dia tahaka ny vato jaspy manganohano toy ny vato krystaly;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BC5A5EF-4F82-446B-B5D1-BFE8D2A061F2
12
ary manana mànda lehibe sady avo sy vavahady roa ambin'ny folo izy, ary eo amin'ny vavahady dia misy anjely roa ambin'ny folo, ary misy anarana voasoratra eo, dia ny an'ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Zanak'Isiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|607FCC2E-06A8-4EB0-A550-5691BCDF1A65
13
eo atsinanana vavahady telo; eo avaratra vavahady telo; eo atsimo vavahady telo; eo andrefana vavahady telo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D923910-008D-4B91-9B1B-81A2916CB222
14
Ary ny mandan'ny tanàna dia misy fanorenana roa ambin'ny folo, ary misy anarana roa ambin'ny folo koa eo, dia ny an'ny Apostoly roa ambin'ny folon'ny Zanak'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B4EC35-8DAB-4F90-8BFB-1EE3BB5D83DE
15
Ary ilay niteny tamiko dia nanana fandrefesana volotara volamena handrefasany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84D5A472-6B8B-4C4A-99EF-BA05E3B00FB7
16
Ary ny tanàna dia efa-joro, ka mitovy ny lavany sy ny sakany; ary nandrefy ny tanàna tamin'ny volotara izy, ka roa arivo sy iray alina stadio. Mitovy ny lavany sy ny sakany ary ny hahavony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F16867F-5524-4D4E-B5A9-D076F2B22968
17
Ary nandrefy ny màndany izy, ka efatra amby efa-polo amby zato hakiho, araka ny refin'ny olona, dia ny an'ny anjely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70844F84-1936-4A60-B337-87252DD40482
18
Ary ny màndany dia vato jaspy; ary ny tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C7B89B9-12CA-467C-BBBB-61DA9E5845F6
19
Ary ny fanorenan'ny màndan'ny tanàna dia voaravaka vato soa samy hafa rehetra. Ny fanorenana voalohany jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6E1901C-14EC-4441-969B-C7AE245898E8
20
ny fahadimy sardonyksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny fahiraika ambin'ny folo hyakinta, ny faharoa ambin'ny folo ametysta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C2C31D0-40ED-4A35-BB29-897C93435C52
21
Ary ny vavahady roa ambin'ny folo dia pèrila roa ambin'ny folo; pèrila iray avy ny isam-bavahady; ary ny làlambe tao an-tanàna dia tena volamena, toy ny fitaratra manganohano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7C95125-0B0F-414D-A8ED-792030D901B6
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany