Apokalypsy 22: 1-21

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary izy naneho ahy onin'ny ranon'aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21A337FD-538A-4D84-B5C6-7DD096E73F31
2
teo afovoan'ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin'ny ony nisy hazon'aina mamoa voa roa ambin'ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F7486B9-607E-4820-824D-4492FE8BC0ED
3
Ary tsy hisy ozona intsony; ary ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho eo aminy; ary ny mpanompony dia hanompo Azy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EF47D88-196F-4251-9A50-4DBB910A3D50
4
ka hahita ny tavany, ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CE97029-4A25-4637-AE58-E4E0545A8F24
5
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AEE5480-AC8A-4589-8AE7-A52BBA7B6D8F
6
Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5748CCC-F936-4FAE-B011-C52D44EBF9D2
7
Ary indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7574678-49E1-4C79-B835-E14649B642E4
8
Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B31C44D-7DC1-470F-89A2-0765EB20E68B
9
Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E0DA66F-45A8-4AFE-83F4-F62C5BEE4E6E
10
Ary hoy izy tamiko: Aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CFB301B-F0FF-41CF-880F-7870E8AE3880
11
Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91F02714-BDE2-46AB-A44B-6CD2A9850751
12
Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21A10C55-6296-44C4-82C4-7011EA08C953
13
Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88163096-599F-453E-9D5A-9D0CE9EBC4FA
14
Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C430347-943A-43B2-84C9-4C97B161A5C3
15
Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanaga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D36BDAA-32B3-4042-B91A-D3105CBC1FD8
16
Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an'ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak'i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADB32074-0B44-42E9-866B-9F95FB59F91D
17
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe:Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|43C6C95E-AB94-4EDC-95C3-A9CCE9D60764
18
Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84F66AD7-4B4F-4780-83A8-37E8253D4238
19
ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42D28466-F27A-46AD-B434-398B1CCAEF37
20
Hoy izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B358AC6-0C62-4F5E-BFC3-45BD92263AE6
21
Ho amin'ny olona masina anie ny fahasoavan'i Jesosy Tompo. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07A00976-3DB2-4FB8-A38A-74A54189DF0D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany