Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298DBE49-273F-4EF9-B12B-19DBB0BAE047
2
Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61F850B3-43AE-41EC-B297-4639E5A96D8C
3
Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23614450-4409-40D8-8CFF-B3C724EC5875
4
Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4269F71-6865-45F3-B573-494E20153C42
5
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|933561F6-4B9E-4B9D-8EBC-F5DFC7A1ADD4
6
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3A80D90-C55A-4299-8850-E878EC8F5B28
7
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia: Izao no lazain'Izay masina, Izay marina, Izay manana ny fanalahidin'i Davida, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy misy mamoha:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6766532-06F9-4A30-A837-DFADAB431407
8
Fantatro ny asanao (indro, efa nasiako varavarana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy), fa manana hery kely ihany hianao ka nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A09E370-8E77-402A-A8A0-7EC6B6DEC2B3
9
Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1070810-F882-4ADA-BCF4-43FEF2ABD765
10
Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65BF43D8-9A37-4A22-8C5D-3499A5EDCD44
11
Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C25B22D8-4D17-44FE-A3D4-3B9040393C36
12
Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E5C44E3-7B45-46A0-86D2-EAA8CC9E6E4E
13
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C15419A4-E787-49F6-B491-BA1E612ED3BB
14
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9C603E1-0635-4D6B-BD9B-6B95436A724D
15
Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2600E0C5-21F6-461A-9B39-49C0422D02DA
16
Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437DDEA3-3500-4D6A-A3FD-11A493BE29F5
17
fa hoy hianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa hianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88FA6AC7-34F8-4AF3-9920-79629942DCED
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany