Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy: Izao no lazain'Ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|298DBE49-273F-4EF9-B12B-19DBB0BAE047
2
Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61F850B3-43AE-41EC-B297-4639E5A96D8C
3
Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23614450-4409-40D8-8CFF-B3C724EC5875
4
Kanefa misy olona vitsy aty aminao aty Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4269F71-6865-45F3-B573-494E20153C42
5
Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|933561F6-4B9E-4B9D-8EBC-F5DFC7A1ADD4
6
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3A80D90-C55A-4299-8850-E878EC8F5B28
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany