Andininy
Protestanta Malagasy
10
Satria efa nitandrina ny teniko ny amin'ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin'ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin'izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65BF43D8-9A37-4A22-8C5D-3499A5EDCD44
11
Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C25B22D8-4D17-44FE-A3D4-3B9040393C36
12
Izay maharesy no hataoko andry eo amin'ny tempolin'Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran'ny tanànan'Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E5C44E3-7B45-46A0-86D2-EAA8CC9E6E4E
13
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C15419A4-E787-49F6-B491-BA1E612ED3BB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany