Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ary nahita aho, rehefa novahan'ny Zanak'ondry ny anankiray tamin'ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin'ny zava-manan-aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433C1390-DFE6-42F7-9CAA-69F54071C7CC
2
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly fotsy; ary izay nitaingina azy dia nanana tsipika, ary nomena satroboninahitra izy; dia nivoaka izy ka naharesy sady mbola haharesy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACA46666-0388-4629-908E-432DDF10DE1F
3
Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan-aina faharoa nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8204C16-13EC-4BB0-A011-23D38FE20311
4
dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin'ny tany mba hifamoan'ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FF9791B-C2D5-4DCE-823F-D03632660292
5
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahatelo, dia reko ny zava-manan-aina fahatelo nanao hoe: Avia. Ary hitako fa, indro, nisy soavaly mainty; ary izay nitaingina azy nitondra mizana teny an-tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F856E13A-81B7-4308-B133-509EBA3157ED
6
Ary nahare aho, ka toa nisy feo teo afovoan'ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Venty ny vary tritrika eran'ny fatam-bary kely, ary venty koa ny vary hordea intelon'ny fatam-bary; ary aza manimba ny diloilo na ny divay hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|76EA9621-3391-4920-A01E-358FB4147AE8
7
Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon'ny zava-manan-aina fahefatra nanao hoe: Avia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40D520A2-8D7A-4B37-B70A-9AB4FFF9B6BE
8
Ary hitako fa, indro, nisy soavaly hatsatra, ary ny anaran'izay nitaingina azy atao hoe Fahafatesana, ary ny Fiainan-tsi-hita nanaraka azy. Ary nomena fahefana tamin'ny ampahefatry ny tany ireo hamono amin'ny sabatra sy ny mosary sy ny fahafatesana sy ny bibi-dia ety an-tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C75E7E1-338B-4979-B3A8-C603FEAFE996
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany