Andininy
Protestanta Malagasy
12
Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon'osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny ra avokoa ny volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6613FE6-82C8-4DC1-8F58-636B3EFCD4C1
13
Ary ny kintana tamin'ny lanitra dia niraraka tamin'ny tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta, raha hozongozonin'ny rivotra mahery izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|441C93E2-C862-4D2B-B1E8-52705DCDD068
14
Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|741DA784-B6AE-4537-8EDC-9296F70F958D
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany