Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF7F7A50-86F0-4865-9BAC-C31A22D2593B
2
Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5FEF5AC-9C11-44C3-B793-8A77EDC211B8
3
Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D89C5F20-E399-4CCE-94F0-5E139A3F2304
4
Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D250CA8C-13E4-4C5E-8269-6B93A08E7844
5
Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68653EE9-FA6C-4156-9432-854435E7DB3E
6
Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48F95606-A581-43ED-87E9-07BC405E54D5
7
Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|291B2950-C6E0-470B-8FEC-57EB832006B1
8
Avy tamin'ny firenen'i Zebelona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAE77487-BF47-4D42-B5FD-7D8B5617D113
9
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B680C3C-84C5-46C5-ADA5-FD790E1A45E8
10
dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an'Andriamanintsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C083B33-8744-4479-9724-8CAC08F6E689
11
Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin'ny loholona sy ny zava-manan-aina efatra, dia niankohoka teo anoloan'ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E290CD26-1A48-44B3-9A1E-88694B63067E
12
nanao hoe: Amena! Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie, Ho an'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|397DAFB5-4C17-4B8F-A7B0-7CFA209F6A34
13
Ary ny anankiray tamin'ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: Iza moa ireo miakanjo akanjo fotsy lava? Ary avy taiza izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7AE4BDF5-4A00-4670-BB54-0835B2A25695
14
Fa hoy izaho taminy: Tompoko, hianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko: Ireo no avy tamin'ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin'ny ran'ny Zanak'ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5EBA9D3-AFDC-45CB-8B2F-1D83893A094F
15
Ary noho izany dia mitoetra eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman-alina eo amin'ny tempoly; ary Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E4A0257-F267-4188-9233-569B04E24AB8
16
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0BA4AF-E6CC-4552-9306-E4E18BAC545B
17
Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.(Isa.25.8)
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87ED6759-78D1-4E23-AEB4-E7DE69B7B796
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany