Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy anjely efatra nitsangana teo amin'ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin'ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, na amin'ny ranomasina, na amin'ny hazo akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF7F7A50-86F0-4865-9BAC-C31A22D2593B
2
Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5FEF5AC-9C11-44C3-B793-8A77EDC211B8
3
Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D89C5F20-E399-4CCE-94F0-5E139A3F2304
4
Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D250CA8C-13E4-4C5E-8269-6B93A08E7844
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany