Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny

Andininy anio:

Azonao atao ny mampiasa ny rohy na "lien html" manondro andininy iray na maromaro na toko iray manontolo amin'ny pejy na "forum" na koa "e-mail". Tsy hisahirana intsony ny mpamaky ny hafatrao hamadika Baiboly hanamarina izay voalazanao. Hanampy azy koa izany hahita ny teny manodidina na ny "contexte".

Ohatra : Lioka 12:8

Tahaka izao ny kirakira na ny "codes" ilainao hametrahana ny rohy tahaka io:

Lioka 12:8

Fanazavàna

• Tsy maintsy apetraka : <A href="http://www.baiboly.org/toko.asp?
• Mariho tsara ny boky=Lioka&toko=12&andininy=8
Omena lanja izay ilainy avy ny "boky" sy ny "toko" ary ny "andininy". Eto amin'ny ohatra boky=Lioka; toko=12 ary andininy=8 ary elanelanin'ny &. Aza asiana elanelana mihitsy.
• Toko iray ihany no azonao apetraka eo amin'ny toko.
• Azonao atao koa anefa ny mitady toko iray manontolo. Esory fotsiny ny &andininy .
• Misy fomba telo kosa azo atao amin'ny fitadiavana andininy:
• andininy iray ihany ohatra: andininy=8
• andininy roa na maro mifanarakaraka ohatra: andininy=8-10
• andininy roa na maro tsy mifanarakaraka ohatra: andininy=8,10,13
• target=_blank ilaina raha tianao hanokatra pejy hafa. Azonao atao koa anefa ny mampiasa ny target=_self raha toa ka ny pejinao efa misokatra ihany no amoahany ny pejin'ny Baiboly.
• Lioka 12:8 no soratra tianao ho hitan'ny olona eo amin'ny rohy hotsindriana ary faranana amin'ny

Ohatra hafa

Raha tianao ny hanoratra tahaka ny hoe: Rota 1:8,10,16,17 izay misokatra ivelan'ny pejinao

dia:

Rota 1:8,10,16,17

Raha tianao ny hanoratra tahaka ny hoe: Ny razan'i Jesosy manomboka eo amin'i Rota izay misolo ny pejinao

dia:

Ny razan'i Jesosy manomboka eo amin'i Rota

Raha tianao ny hanoratra tahaka ny hoe: Galatiana toko faha-5

dia:

Galatiana toko faha-5

Ilainao araka izany ny mahalala ny anaran'ny boky ampiasaina.

Aza adino ny manandrana ny pejy alohan'ny hamoahanao azy.

|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2008 A.E.B.