Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko EKSODOSY 1
MALAGASY

1 ARY izao no anaran'ny zanak'Isiraely izay niaraka tamin'i Jakoba nankany Egypta; samy nandeha mbamin'ny ankohonany avy izy rehetra:

2 Robena sy Simeona sy Levy ary Joda;

3 Isakara sy Zebolona ary Benjamina;

4 Dana sy Naftaly, ary Gada sy Asera.

5 Ary ny isan'ny olona rehetra naterak'i Jakoba dia fito-polo; fa Josefa efa tany Egypta rahateo.

6 Ary maty Josefa sy ny rahalahiny rehetra mbamin'izany taranaka rehetra izany.

7 Ary ny Zanak'Isiraely niteraka ka nitombo betsaka sy nihamaro ary nihahery dia nihahery indrindra, ka dia henika azy ny tany.

8 Ary nisy mpanjaka vaovao nanjaka tany Egypta, izay tsy nahalala an'i Josefa.

9 Ary izy niteny tamin'ny vahoakany hoe: Indro, ny firenen'ny Zanak'Isiraely efa maro sy mahery noho isika;

10 andeha hanaovantsika hevitra ireo, fandrao hihamaro izy, ka raha tahiny hisy ady, dia homba ny fahavalontsika koa izy ka hiady amintsika, ary dia hiakatra hiala amin'ny tany.

11 Koa dia nanendreny mpifehy izy, mba hampahory azy amin'ny fanompoany mafy. Ary nanao tanàna fitehirizana ho an'i Farao izy, dia Pitoma sy Ramesesa.

12 Nefa araka ny nampahoriany azy no vao mainka niha­maroany sy nitomboany kosa; ka dia nataho­tra ny Zanak'Isiraely indrindra ny Egyptiana.

13 Dia nampanompoin'ny Egyptiana fatra­tra ny Zanak'Isiraely,

14 ka nataony mangidy ny fiainany tamin'ny fanompoana mafy, dia tamin'ny feta sy ny biriky mbamin'ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

15 Ary ny mpanjakan'i Egypta niteny ta­min'ny mpampivelona Hebreo (Sifra no anaran'ny anankiray, ary Poa no anaran'ny anankiray)

16 ka nanao hoe: Raha mampive­lona ny vehivavy Hebreo hianareo, ka hitana­reo eo amin'ny fipetrahany fa zazalahy, dia vonoy, fa raha zazavavy kosa, dia velomy.

17 Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nola­zain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy.

18 Dia nampaka ny mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka nanao taminy hoe: Nahoana no nanao izany zavatra izany hianareo, ka novelominareo ihany ily zazalahy?

19 Fa hoy ny mpampivelona tamin'i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.

20 Dia nasian'Andriamanitra soa ny mpampivelona; ary nihamaro sy nihahery indrindra ny olona.

21 Ary ramin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.

22 Dia nandidy ny vahoakany rehetra Farao ka nanao hoe: Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an'i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy.

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5  |  6  |  7  |  8  |  9  |  10  |  11  |  12  |  13  |  14  |  15  |  16  |  17  |  18  |  19  |  20  |  21  |  22  |  23  |  24  |  25  |  26  |  27  |  28  |  29  |  30  |  31  |  32  |  33  |  34  |  35  |  36  |  37  |  38  |  39  |  40 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.