Tonga Soa
Anaran'ireo boky
Fampidirana ireo boky
Rohizo ny andininy
Alaivo
Vondrona
Manorata
Rohy
Fizahan-teny


Andininy anio:
Ny toko IJAONA 1
MALAGASY

1 Izay hatramin'ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan'ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain'ny tananay, dia ny amin'ny Teny Fiainana

2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin'ny Ray ka efa naseho taminay),-

3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesosy Kristy Zanany.

4 Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika. [fifalianareo]

5 Ary izao ny teny renay taminy ka ambaranay aminareo: Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao aminy.

6 Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

7 Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

8 Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.

10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.

Toko hafa
1 |  2  |  3  |  4  |  5 

   


|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky| |Fampidirana ireo boky| |Rohizo ny andininy| |Alaivo| |Vondrona| |Manorata| |Rohy|

Baiboly isaky ny boky, toko, ary andininy
Boky Toko Andininy
Ampitahao amin'ny Dikan-teny hafa    

<!> Mampiasa "JavaScript" ity pejy ity

© 2002 - 2010 A.E.B.