|
|
|
Azonao atao ny mifampizara, mametraka fanontaniana, mifanakalo hevitra na koa
mifanerasera an-tsoratra amin'ny hafa izay liana ny amin'ny Baiboly sy ny
finoana kristiana amin'ny alàlan'ity vondrona ity. Mila misoratra anarana ianao
raha te-handefa hafatra na hijery ireo resaka ifanaovana. Indro atolotra anao
ato ambany izay inoanay mpikarakara ity tranokala sy Vondrona ity. Tsy voatery
hino ireo rehetra ireo akory ianao vao afaka mandray anjara amin'ny resaka.
Napetrakay eto ireo mba hahalalanao mialoha ny momba anay sy izay mety ho
fampianarana na fanazavana ny Tenin'Andriamanitra avy aminay. Afaka mandray
anjara amin'ny resaka ifanaovana noho izany ny rehetra. Misy kosa ny fefy izay
tsy azo ihoarana mba tsy hampikorontana ny fizotry ny resaka ary mba tsy
hampivoana ny anton'ity Vondrona ity amin'ireo zava-boalaza ireo.
Niniana tsy napetraka ny andininy mba tsy hahalava azy
- Soratra Masina na Tenin'Andriamanitra ny Baiboly(boky 66). Tsy misy diso ny Soratra Masina tany am-potony
ary hany fahefana amin'ny finoana sy ny fiainana kristiana.
- Andriamanitra telo izay Iray.
- Sady tena Andriamanitra no olona Jesoa Kristy.
- Noharian'Andriamanitra ny olombelona. Lasa mpanota ary tafasaraka
tamin'Andriamanitra izy noho ny tsy finoana sy tsy fankatoavana
an'Andriamanitra. Tsy mahavonjy tena izy.
- Maty teo amin'ny hazo fijaliana hisolo ny mpanota Kristy ary nitsangana tamin'ny maty.
- Hamarinina noho ny fahasoavana amin'ny alalan'ny finoana irery ihany ny olona.
- Hiverina hita maso, ara-batana indray Jesoa Kristy.
- Ny fiarahan'ny mino amim-pifaliana sy
fiadanana mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra ary ny fijaliana mandrakizay
ho an'izay tsy nino ny famonjen'i Kristy.
|Tonga Soa| |Anaran'ireo boky|
|Fampidirana ireo boky| |Rohizo
ny andininy| |Alaivo|
|Vondrona| |Manorata|
|Rohy|
|
|