Genesisy 1: 26-31

Andininy
Protestanta Malagasy
26
Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A65ED509-4945-40E7-8676-B6434527C184
27
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32AF3CC8-CB4B-4218-8F72-747C4E2B1158
28
Ary Andriamanitra nitso-rano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A191A8BA-494F-496C-8B26-5634406F76B2
29
Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1AFE844E-43F5-4CF7-B589-F746CF384F25
30
Ary ny amin'ny bibi-dia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zava-manan-aina rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|515FD884-21B8-46B4-A314-6DCBCE8BC198
31
Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA01DDD0-0434-4503-901A-1F447974154B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany