Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona. Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|197AE61E-FF04-4281-8F8D-0EBD8C986F23
2
Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E8F9325-F343-44EA-B488-EF34A18370B4
3
Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solondrihitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D15CF10D-2201-4DFA-AB21-47E673B82B59
4
Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C705D68-F429-40E6-9A28-3CD6818DFA12
5
Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CC8FDC7-A34F-4F28-B654-9D946B07A924
6
Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|256B94F6-DD12-4EC7-B643-EA494B599675
7
Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B76721CA-5B7F-4D82-876D-5CD94BF6312D
8
Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0DA443D-C888-4A43-8768-0BC5898B8632
9
Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A735B4F-8D01-402A-B6F0-FD122AC0D158
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany