Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
|