Andininy Protestanta Malagasy 1 ARY hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85040BE9-CCE1-4C30-B709-44A49CA01685 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11672812-82F6-4FDD-98FF-01D24D036725 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9148786-53A2-4592-9136-A52C5A813319 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CFF79814-75A7-4894-B269-64F7DB2B24D5 5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9019AB7-A1D9-49B6-9069-2DAAB145677A
|