Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|923553CF-62D7-443A-8508-1AA86EBCE487
2
Ary Abrama nanana harena be, dia omby amanondry sy volafotsy ary volamena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57E358EA-8C9E-4AC1-989F-C6897CA6EDE0
3
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E59BFE03-A909-4AB5-97CC-68D3CB273EE1
4
dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34B20A5B-EBFC-4426-A491-93A92992BA06
5
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A7F7D3C-3A17-47F7-9162-C5CD1607ADDC
6
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B68F6FC4-D7AC-40CC-B473-E1039C856568
7
Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4640E2CB-088D-4684-AF08-D15560728719
8
Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA45DDFC-A471-4D0B-B0BC-C8E6940A2B45
9
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masina hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AADF3EE4-6195-47C5-BB83-1D1BD091B214
10
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79A1239F-BBD3-4E9B-AD66-646FAA6EC859
11
Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5966DC90-96E4-49AC-9B6B-C39BD1F031FE
12
Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanĂ na amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCD4E51F-7BC9-4DC2-AE9C-41F33BC3C125
13
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7ECFA2F7-6F2E-4C9A-A1A1-359AB95FEAEB
14
Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DE34DD9-FBAB-4340-B1F1-FAC30942CF46
15
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7439A9F-5F85-4FE2-B900-174B4C5343A3
16
Ary hataoko maro tahaka ny vovotany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42C7A9AE-1F73-43F6-ACCE-EB95D49D9357
17
MiaingĂ  hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48C350BC-F7D7-45DA-A999-D3E326E3CF72
18
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F88DFFF-D869-42E1-8E67-DC08951E80E1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany