Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC542C2B-476D-47A6-8218-B1030FCDDE98
2
dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23AAFFA5-0708-4BF1-B6CD-CF0F945C1115
3
Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasintsira izany).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9A04EEA-45B0-41EA-A06B-6DFF9CFB74ED
4
Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16197921-AFF0-45C8-BA96-167EAA98EC58
5
Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka name]y ny Refaita tany Astartakarnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|131C673B-51FC-43AD-A051-C06852A1F773
6
ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo ani1an'ny efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBD72FCB-6D46-4DCE-AA7F-46109040A7EA
7
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28641F39-BEBD-4E99-B72B-191BBEEA3684
8
Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D232E9E-92E7-4B33-9DDF-75AD512C44F1
9
dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF2E9B27-B690-433A-9205-9A874293ACAC
10
Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E544B39-EE84-4538-8000-2842D70796F0
11
Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BD04290-C312-4C10-A2E1-50C3CE9C73ED
12
Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ED63DF1-122B-4351-8735-D395E19A6198
13
Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|791493D0-0A65-46B3-B12E-D4C1ACB6F033
14
Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|755AD882-F989-4771-AFC9-6D611DC0E381
15
Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9916ECFA-E026-49C1-91C2-19843F1816C7
16
Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50514095-E936-4297-B9D3-1F4DD0EC0E8B
17
Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|171846FD-C36C-42E2-AAD8-5CFA8C8E3009
18
Ary Me1kizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36556582-E04F-4544-BC39-A7BD29793918
19
Dia nitsodrano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED2B7E60-6058-4751-91A3-B8AEC73F5E81
20
Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02B7C764-CEF6-4D9F-93CC-88643DFD9BD2
21
Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E300D4F-D133-4897-8490-F62657E553F8
22
Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DA63BD9-F55D-4A39-B962-EB95FADC28BF
23
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E43E242-996C-49A8-AED1-3BDDFDCAF49D
24
afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DAA1BEAB-5E18-452C-860D-C952F89E02A8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany