Andininy Protestanta Malagasy 18 Ary Me1kizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. 19 Dia nitsodrano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; 20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
|