Andininy
Protestanta Malagasy
1
REHEFA afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7E0AC6C-C69A-4C3E-B73D-A2EFA9958970
2
Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F3C8A0B-5603-484B-8306-9C421851C553
3
Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D27B5E9-BEDF-4D26-A431-0BD45A9A971B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany