Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B036CFF3-1C75-4583-92D9-79E728D2DFA1
2
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masina hianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4AA16C8-AD2E-4AB7-92F6-4E50C4B8DE1A
3
Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0D21773-FED3-43D8-AA68-8A34E8B617C2
4
Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan-anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05BA3A3B-BFC4-4254-B254-CF333FB0BECF
5
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BEEABC40-821E-45D5-813A-4BF229DA58BC
6
Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tànanao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7FFA11D6-23DF-41EC-9755-60A29588F8DF
7
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo ani1an'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny làlana mankany Sora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|050CC296-C9C5-49BD-B8D1-B5DCC77EED75
8
Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza hianao? ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE2F063D-AB2E-4D3A-BDB2-4330E1523CD7
9
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CAF2FCD-B860-4622-87B5-F04B419487A9
10
Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5A6F49F-41F2-4C75-B751-A0ABC2247A13
11
Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manananaka hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CCAF3D8-4AA8-43A2-B8FA-BCEB0290BE4C
12
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B6DE64F-6EEF-4DD5-BC46-F5EF32AB32B0
13
Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2047F03C-6D67-47EA-853F-06F202FDFAA4
14
Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F17E6087-E3C6-4194-9A05-522E87DCDAE4
15
Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25B4B65F-EF49-458A-9DC0-E3D7DC7B7939
16
Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8E12585-6AD6-48FE-9E9E-24036AB3F088
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany