Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF2881DB-83EC-41ED-B16E-FDDE9863CF12
2
Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF483B24-8A9E-4C96-A1E3-7C01B3E70675
3
Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A4BB9D5-715A-4071-B44E-5C19707D90C7
4
Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|432F892B-B8EB-4687-8779-72CA5C515A17
5
Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDFC943B-490B-4DF6-82BB-B36AB0D60120
6
Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro hianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A0A0A06-3AA3-4314-B621-6D8093F8F37F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany