Andininy
Protestanta Malagasy
9
Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E62DB94-B98C-437E-93FC-3451496EECD6
10
Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2FE8AFF-B77C-4A64-888D-0D70E05ECCB3
11
Dia hoforana hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BC3BFF56-5CA7-4EC6-BD1E-9BFC03FA6BE2
12
Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BEAE890-AFAD-4ABC-9FB9-1BDD5293D87D
13
Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|26D8BBA1-F130-4E06-A741-B9394543061A
14
Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EDAC2C7-A623-40E9-8050-760F73CFFD4E
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany