Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah niseho tamin'i Abrahama teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D551F43B-79BB-46EA-8393-5DFBB82AEADC
2
dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nlhazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2198BBF9-4F8B-4298-8688-0774DE1046F6
3
ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna hianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60476A2B-7EF1-4035-AB53-E4B63B26F230
4
Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60731720-9E7B-4C6F-B18D-904841ADAE58
5
dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga aty amin'ny mpanomponareo hianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9412E2A9-4F94-4ECC-9F0A-4E53B5C3EE2A
6
Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, maka koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEAF8F54-60AC-4E54-9646-5AEAC00C6826
7
Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ABF2D1D-ED5D-4D37-9573-48BC34B2D59C
8
Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nianona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAA24939-1C7E-46DC-8159-221883BC9E23
9
Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|45EAAA62-C7E0-4970-9E91-D37E6152C882
10
Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0375042-AA25-450A-AE91-9E2FD45534E7
11
Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4F28F25-E44C-4206-BD80-29E66E4981A0
12
Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FA53B49-32E3-4D7D-88D1-5FCB9E76AB51
13
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CAFBE62F-375F-43EC-B77F-9E4C2A0912E1
14
Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5C8AB91-E512-4D23-8433-400206F15CB3
15
Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE85D6E-F14A-4A30-882E-9819F6FE08DB
16
DIA nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58120333-A2EE-4881-AA9C-5E12BDCBAAF0
17
Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7298203D-5CEB-4AB2-9F07-104CF3036589
18
Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F5AB62F-0F12-45CC-84F7-FAA794E5C944
19
Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A9F742-B078-466E-8BAC-3365BF866108
20
Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D213D31-FCCE-4103-85EE-57F73BEACD5A
21
hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6DA3741-E341-4E41-B442-ACD66BFFEE01
22
Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65831306-6361-4A53-AA2F-A9EDED83A0D7
23
Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9E2234A-8C6C-4086-9718-FB0CB817576A
24
Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàana noho ny dimam-polo marina izay ao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02A52101-6EAF-4AAC-8FEB-446F0FEB43E8
25
Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D2F6B69-0BF0-4AEC-A32B-0F4091CDA342
26
Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9FE47D57-7F4A-4BB7-B989-EECDA06D3393
27
Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53B6D2C5-5C22-4492-86B9-3E7AE1ADC650
28
Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6123FFC4-0CB0-479B-8943-1DD03F6ED634
29
Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41BB8B27-B8D7-44B5-9B50-B5C972874F86
30
Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52FFE1F0-BFB8-451F-9BF3-7287ED5A9287
31
ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB6E5CF6-8CA7-4AFE-B925-EB5421E1276D
32
Ary hoy izy: Aoka anie mba tiy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09A71B49-A929-4A46-A79D-822F557A6AFD
33
Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B6A202D-16C4-489F-BAEE-8157BB04A46F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany