Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|96E89BFA-384F-4435-A77F-121D474FEF05
2
Dia hoy izy: Mba mivilia hianareo, tompoko, ho ato an-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa hianareo, dia handeha amin'izay làlan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EAFD50C-937A-423F-8727-8A2244A43573
3
Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4FA3C8E-3F3D-480A-9562-433B43C39F2A
4
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F88CCE63-B60D-47F1-ABDA-6913BE3AD0E9
5
dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B22DEAC-662B-4792-A4B2-88C699FF84AF
6
Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7D9F269F-22CA-43E9-8C8B-63B05C205240
7
ary hoy izy: Masina hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8320E6D-FBCB-4474-9F71-488CF9E0B8A0
8
Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masina hianareo, aoka re ireo no havoaka0ko ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88CA85BC-7CDE-4379-8232-164C51C99057
9
Ary hoy izy ireo: Mialà eto hianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga ety hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC470433-F6C4-4ACD-92C6-DF3CED800466
10
Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31A40C68-527F-4728-8E1E-53C5CF20891F
11
Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FAB994E-6DDD-4907-BA04-AA967567100D
12
Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota: Mbola manana ato koa va hianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B635EDB8-A57A-4C1C-ACAA-7731D2F24E8A
13
fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00EDEF37-6DBB-4EC8-A572-B2F357B1B023
14
Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vinantony, izay efa hanambady ny zanani-vavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|707A2C6A-48BC-4BF9-9FC5-5E173320F07D
15
Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana hianao noho ny heloky ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB4E15D0-1F1D-48EC-95E0-D4E80A36DDBF
16
Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D1BE594-6E37-4E20-9476-E7C0F7AB3F9F
17
Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika hianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|448A96DC-53F9-4A17-8AB6-E88D5B855427
18
Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|167F3927-8C34-43B6-BC0D-47003CAFEB3E
19
indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindramponao hianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A386298-4114-48DA-8C2A-73F8428DF26A
20
indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna hianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02463A4F-D26C-443F-80DB-A8D979458483
21
Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa hianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|809397B7-CB59-4DDB-9B67-068392443D09
22
Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandrapahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B9846BD4-88F7-4E3B-B768-00DEDA6551C1
23
Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08E8DDB5-C282-4E70-848B-B11D01765282
24
Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03CD2807-8E23-4CFC-B39F-3CC1B205D8B7
25
ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34321624-D55C-4C01-B3A2-F9DB04BF9F85
26
Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8B333073-DC30-4D39-B3DC-F61F534D27BD
27
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo anatrehan'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8823AB1B-17AB-4AB5-B386-81E9CB20FF80
28
ary nitsinjo an'i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40C8D48A-E35D-455F-B379-F2DCCD884FFC
29
Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia nahatsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C957126E-A48D-4CCD-8955-634BC3C1408B
30
DIA niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E0012EF-313E-47B7-98A1-36E5D4C5E9DD
31
Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4026335-1995-426D-BE3F-7D779CCFE5B5
32
andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79E02E16-ADFB-49A6-A4F2-A95F6CD24154
33
Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|686F62E4-A10A-4AEB-9AB4-D06B9205BE74
34
Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira hianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB10D600-6F33-49CC-B1F6-D203F6EF451A
35
Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|943B9E33-895F-426C-80EA-8C3DFFA121C0
36
Dia samy nanan-anaka tamin-drainu ny zanak'i Lota roa vavy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4004E8FF-D3BC-4828-B544-9433E5ADF330
37
Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35EA9893-E73F-4C71-B135-1648DFEE1F22
38
Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka andro-any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35E10493-4845-4B32-85C8-557F228909CF
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany