Andininy
Protestanta Malagasy
1
DIA nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0646EC46-9358-4BB6-9A87-EEB817011619
2
Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2FF80494-DB8B-41C3-A867-77BF540D6E24
3
Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abimeleka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty hianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51B16413-A3E3-4ADB-AD50-F27C4B9AC60C
4
Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AADF2EBF-F155-4360-A666-DCCD2F5CFE75
5
Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravehivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tànako no nanaovako izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F5C1DBA-5EBF-4BC6-9402-0F7D48F6167E
6
Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC27D965-B119-4860-847A-C40B420157B5
7
Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona hianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa hianao, dia hianao mbamin'izay rehetra mety ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C4E70E5-63C0-4B1A-9159-3D509D01AF92
8
Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACFB8CF3-05C8-4AF6-A0FE-88B77F255E46
9
Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|649C661E-DA77-4A01-8532-16E39CBDF6A7
10
Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C5A76BB-11A0-4DD4-9423-A9240BABA20F
11
Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E11BD27-19AF-4D23-8107-7FC4EAA945A0
12
Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFAE96AF-7E8A-417A-9AEF-BE9886DC0227
13
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A57F7A3B-2241-455D-907D-44459BECD706
14
Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C91C01F7-BC2F-42E1-9DD6-E7F2BF2728C7
15
Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FAC22155-DA34-41EF-9F03-79870B58D349
16
Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampenamaso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny hianao ny amin'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CF311D7-30A5-4341-8D66-8A125C28E3E2
17
Ary Abrahama dia nifona tamin'Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC6082C3-B305-4F96-9ED2-4C3E4239A548
18
Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B471C933-6A3A-4880-AC77-CF7A5B0DEB4A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany