Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka i1ay efa noteneniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDA4CC69-D443-436D-B9FC-906B287BCF95
2
Dia nanan-anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB4F2A75-4DE8-4800-90A8-E8734CFC8BF8
3
Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|437FCC0F-024D-43E1-994C-6DE540BA55E0
4
Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA9D37D9-2391-4507-B6B5-2B83F31A9555
5
Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|714954EE-8A58-4AD2-AF78-589F3A6778E5
6
Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BDF49FC-BCE1-41D3-8D61-9C7F45FDE7EE
7
Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E044647B-29BF-4643-B363-22807B0949D6
8
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B6DFCB9-7D0F-44F7-AFE4-8658CA836897
9
Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E83A3F3C-408E-4510-BEF9-FDAEA45AAE97
10
Dia hoy izy tamin'i Abrahama: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08CA53A5-F19D-4502-A1BB-FE5159A47D65
11
Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79CAE96C-0960-4297-A8EC-43EA2C01411A
12
Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|135C0EB0-9FC1-4C99-AE95-DA5F9A85E806
13
Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8EA8982-A5D0-41F7-A488-E31AAF226CFA
14
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo antsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Berisheba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05A469ED-784C-4A82-AAB9-C5BFA65E933F
15
Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0139AF08-47ED-4455-9F0C-40E5E95D9A20
16
Dia lasa izy ka nipetraka tery lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipika; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FBC8056-EB6D-4D2D-8304-78A878657EA9
17
Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03F4FF4F-0985-4A06-B5BF-4B9EC685E766
18
Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4EB3F9C-6567-4144-8D0B-6CC33FA42DCF
19
Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6128190E-1D21-4FAA-89BB-DE8C66B405FB
20
Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14B557F0-02F0-4B8C-8B8F-DC9F62815A6B
21
Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE2DEB5E-A93B-4C11-B75E-0BDE676C5E7D
22
ARY tamin'izany andro izany Abimeleta sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra hianao amin'izay rehetra ataonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB947ECD-FA98-4881-8E8F-5218172E1FA1
23
koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako hianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E79AA06-0392-42A2-B8D9-1188176DE8FF
24
Ary hoy Abrahama: Hianiana ihany aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F73EA44D-D9E2-48E6-A112-611BB374F57C
25
Ary Abrahama nananatra an'i Abimeleka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka ankeriny
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E5354FD-5E5A-447C-B140-794F97897605
26
Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa hianao tsy mbola nanambara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA705129-18D9-4D26-BAFD-48A79B25508E
27
Ary Abrahama naka ondry aman-osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B8DE1D0-819B-4F98-94CC-81E5A646845B
28
Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E2E5257-ABE9-4F04-91B2-68C5F056E9BD
29
Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondrivavy kely fito natokanao ireo?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E17D2CA4-0708-4D44-AD34-595E81081AF4
30
Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tànako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEFFBCDD-36CB-4829-9EE4-C29939CF4FB1
31
Izany no nanaovana io tany io hoe Berisheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9373335-08BF-4B4E-9951-ED0CAC3393FA
32
Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42C1776E-33C0-49CF-83CC-8AFB21FC5D8A
33
Dia namboly hazo tamariska tany Berisheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFEB62CF-ACDB-4CF2-8CA5-6024C4410E5C
34
Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D606EDB-9A5D-4F02-8312-3F66234949F7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany