Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE4EBF32-7B03-4197-867F-6C1B08DB6042
2
Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9BB500-586E-4CE5-B952-792BF16B3408
3
Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE0CAEDE-BEEA-46A7-B341-E894A58D861E
4
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0CFBAD8-DF9D-468B-BB36-986395CA0194
5
Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3762FB6A-5717-483D-ADE4-258CA2C438C7
6
Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay hianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2390E2B-3BFB-4375-BA13-6480E987C66D
7
Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompontany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BC6F460-8860-4D15-9D11-916BC53CBEEC
8
dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8DBE14F-4A07-4040-9ED2-155A37F8B183
9
mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokombidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD5E647C-D9E9-48D5-AD73-0215EB4DE319
10
Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0611A51F-52FA-4B72-AC12-B674FA9822D7
11
Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E94BD4FD-F75D-40D4-A209-59A4B9279A22
12
Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7A95FF1-C24B-41F7-97D8-DB7EB9E73745
13
dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany hianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|942871F1-3CCB-4BE7-9DAC-D675A7FB9CF5
14
Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C50F032-2186-4D74-B80E-AD5C3E9B1746
15
Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsika roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47423F23-F595-4BF2-BDCB-135547349453
16
Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B769B15-9EEF-414E-A5D9-56823C8AA39A
17
Ary ny sahan'i Efrona, i1ay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D39EA24E-AC4E-49FD-8009-2222E4C0ED56
18
tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin'ny tanànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70A4DA42-57D1-4638-AB96-787D881647E4
19
Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E8F0801-577C-44FD-B806-F971050A68C3
20
ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varomaty tamin'i Abrahama ho tany fandevenana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D013267-1539-4EC8-9972-04B3A6FFB7B4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany