Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5ABEEE71-4402-461E-9BBE-496B0FB1A725
2
Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|674ECB53-FACC-40F0-A199-96A566BEAC88
3
Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8562985-8061-4FDE-A99E-5977E003F189
4
Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2850349-31CA-4C62-8DB3-1775B97C9BF9
5
Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5792B1FF-64F3-44ED-9AA7-00FD7B794E29
6
Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|038716F1-BBAD-408C-B790-D8862B93EFEE
7
Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5FAA33E-0942-429E-9570-C82BAE8FF1F1
8
Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12A5D77B-466F-480F-8037-0AA94974C77C
9
Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CDCB86B-5A1B-4754-A2CB-4F1F4DD97BDA
10
dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B64CA6B5-9E38-41E8-B2B2-541DE4A8B2AB
11
Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E248DC91-8474-437C-8F85-74EB8AFEEE78
12
ARY izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A192666-8375-4B69-BC1A-DF73D003A457
13
Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|573DCDA6-0A6A-41A0-B435-AFEB71B8F4AF
14
sy Misma sy Doma sy Masa
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C6B8E66-1C26-47E7-B512-F1DEDDF27B16
15
sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|547A8B6B-EBFD-42A3-9463-0C2EEA87795A
16
Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694C6103-61E4-4DF5-BC5E-08C4FEF2F231
17
Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FABDC1F1-6B54-4E18-9399-95E28F8F0AEC
18
Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny làlana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47DFBACD-223F-4664-9B5A-6DEAA3EF558E
19
ARY izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E73DBC0D-ADC2-4876-B5E0-905FFB42D6A0
20
Abrahama niteraka an'Isaka; ary efapolo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana. 25:21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanananaka Rebeka vadiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BCF77D4-319A-4678-9E8E-E59A201F6BB5
22
Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EFD682-9532-4793-91D6-F61528712C91
23
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1D624B9-F4EC-45FB-816E-1EBA672C64C2
24
Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F76BD24-A4C0-4AC8-A7F0-EACF4A076FE9
25
Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E48D98A-8C52-4C61-8FA0-64FE9FD4D622
26
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AAF4CD3-6F6E-4343-AB5F-7FBBF4EF40EF
27
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A475D4A9-1E82-4B13-A8C7-2C77A3B74DB8
28
Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02C3367E-102A-4DF0-A8E4-46E485BB8B81
29
Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EDA3B93-7B17-4ED0-8596-14F157CCD114
30
Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7F456DE-7F06-4A3B-9211-2294AD047B2C
31
Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5045339-C70F-4102-B894-14901032D881
32
Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21DCAF6-C5B3-4C02-9197-0CB1DF510B4F
33
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C1FF848-4403-4608-B322-D04F0AB4A09E
34
Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B97B2202-44DF-447A-959A-72E3CF2DEFD4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany